Filazantsara araka an'i Jaona 21:19
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 21
Cross References
Numbers 14:24Fa ny amin’ i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
Matthew 10:38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Luke 9:22ka nanao hoe: Ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana.
John 12:33Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
John 18:32mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany.