Filazantsara araka an'i Jaona 3:10
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Jesus answered and said unto him, Art thou a master of Israel, and knowest not these things?
In Context
9Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 3
Cross References
Deuteronomy 10:16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
1 Chronicles 29:19ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
Psalms 51:10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
Isaiah 9:16Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Isaiah 29:10Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
Isaiah 66:7Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.