Filazantsara araka an'i Jaona 3:28
Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye yourselves bear me witness, that I said, I am not the Christ, but that I am sent before him.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 3
Cross References
Malachi 3:1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Matthew 3:3Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
Mark 1:2Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
Luke 1:76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
John 1:20Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
John 1:25Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?