Filazantsara araka an'i Jaona 4:29
Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Come, see a man, which told me all things that ever I did: is not this the Christ?
In Context
28Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:
30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 4
Cross References
1 Samuel 9:19Ary Samoela dia namaly an’ i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
John 1:41Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
John 4:25Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
John 7:31Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?
Revelation 22:17Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.