Filazantsara araka an'i Jaona 5:14
Rehefa afaka izany, dia hitan’ i Jesosy teo an-kianjan’ ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
15Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 5
Cross References
Leviticus 13:20Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin’ ny fery izany.
Leviticus 26:27Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Ezra 9:13Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
Psalms 9:13Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
Psalms 27:6Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho.
Psalms 107:20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.