Filazantsara araka an'i Jaona 5:2
Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
3Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 5
Cross References
Nehemiah 3:1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Nehemiah 12:39ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.
Isaiah 22:11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin’ ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
John 19:17ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
John 20:16Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.