Filazantsara araka an'i Jaona 5:39
Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
40Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 5
Cross References
Deuteronomy 17:18Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.
Deuteronomy 18:18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
Joshua 1:8Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’ alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
Psalms 16:11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
Psalms 36:9Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
Psalms 119:97Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.