John 7:16
Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Jesus answered them, and said, My doctrine is not mine, but his that sent me.
In Context
15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
Cross References
John 3:31Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;
John 5:30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
John 6:44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
John 12:49satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
John 14:24Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.
John 17:14Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’ izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.