Filazantsara araka an'i Jaona 16:10
ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Of righteousness, because I go to my Father, and ye see me no more;
In Context
9ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
11ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 16
Cross References
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Daniel 9:24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.
John 5:32Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
Acts 3:14Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
Acts 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.
Romans 3:21Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,