Filazantsara araka an'i Jaona 8:38
Izay efa hitako tamin’ ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin’ ny rainareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I speak that which I have seen with my Father: and ye do that which ye have seen with your father.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Matthew 3:7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
John 5:19Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka.
John 8:26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’ izao tontolo izao.
John 8:44Hianareo avy tamin’ ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ ny lainga.
John 14:10Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
John 17:8Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.