Filazantsara araka an'i Jaona 8:41
Hianareo manao ny asan’ ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin’ ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Exodus 4:22Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
Deuteronomy 32:6Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
Isaiah 63:16Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
Jeremiah 3:19Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin’ ny fanarahana Ahy.
Ezekiel 16:20Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
Hosea 1:2Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.