Filazantsara araka an'i Jaona 8:42
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’ Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
43Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Malachi 1:6Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
John 3:17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
John 5:43Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
John 12:49satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
John 15:23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
John 17:8Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.