Filazantsara araka an'i Jaona 8:48
Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Isaiah 53:3Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Matthew 10:25Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
Matthew 12:31Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna.
John 4:9Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)
John 8:52Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
John 13:13Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.