Filazantsara araka an'i Jaona 8:47
Izay avy amin’ Andriamanitra dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He that is of God heareth God’s words: ye therefore hear them not, because ye are not of God.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
John 6:45Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
John 8:37Fantatro ihany fa taranak’ i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
John 8:45Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
John 17:6Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
1 John 3:10Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’ Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’ Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
1 John 5:1Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’ Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.