Bokin'i Josoa 10:14
Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’ i Jehovah ny feon’ olona; fa Jehovah niady ho an’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
Cross References
Exodus 14:14Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Deuteronomy 1:30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
Joshua 23:3ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
Isaiah 38:8Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
Zechariah 14:3Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ ny andro fiadiana.
Mark 11:22Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.