Bokin'i Josoa 10:20
Ary rehefa voaringan’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ ny tanàna mimanda,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 20:16Fa ny tanànan’ ireto firenena ireto kosa, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
Joshua 10:10Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
Joshua 11:12Ary ny tanàna rehetra izay an’ ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’ i Josoa ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah.
1 Kings 20:21Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
Jeremiah 8:14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin’ i Jehovah.