Bokin'i Josoa 11:21
Dia nandeha tamin’ izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin’ ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin’ ny tany havoan’ i Joda rehetra, ary tany amin’ ny tany havoan’ Isiraely rehetra: naringan’ i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 13:22Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Deuteronomy 1:28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
Deuteronomy 9:2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
Joshua 14:12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Joshua 15:14Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
Judges 1:10Dia nandeha Joda hiady amin’ ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’ i Hebrona taloha), ka namono an’ i Sesay sy Ahimana ary Talmay.