Bokin'i Josoa 12:5
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 3:14Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
Joshua 11:3dia tamin’ ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ ny tany havoana, ary tamin’ ny Hivita tany am-bodin’ i Hermona, tany amin’ ny tany Mizpa.
Joshua 13:11ary Gileada sy ny tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
2 Samuel 3:3ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
2 Samuel 15:8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.
2 Kings 25:23Ary nony ren’ ny komandin’ ny miaramila rehetra mbamin’ ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin’ i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.