Bokin'i Josoa 12:6
Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 32:29ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
Numbers 32:33Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
Joshua 13:8Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,
Joshua 18:7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
1 Kings 4:19Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.