Bokin'i Josoa 14:15
Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 23:2Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
Joshua 11:23Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Joshua 21:12Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
Judges 3:11Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
Judges 5:31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
1 Samuel 30:31sy ho an’ izay ao Hebrona ary ho an’ izay any amin’ ny tany rehetra nandehandehanan’ i Davida sy ny olony.