Bokin'i Josoa 14:6
Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 12:7Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
Numbers 13:26Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Numbers 14:24Fa ny amin’ i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
Numbers 32:12afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
Deuteronomy 33:1Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
Deuteronomy 34:10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika