bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 14 › Bokin'i Josoa 14:9
Bokin'i Josoa 14:9
Dia nianiana tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitro ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses sware on that day, saying, Surely the land whereon thy feet have trodden shall be thine inheritance, and thy children’s for ever, because thou hast wholly followed the LORD my God.
In Context
8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
10Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ ny nilazan’ i Jehovah izany teny izany tamin’ i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
Read all of Bokin'i Josoa 14
Cross References
Numbers 14:22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
Joshua 1:3Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’ i Mosesy.
Psalms 37:9Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Josoa 14:9