Bokin'i Josoa 16:10
Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 33:52dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
Joshua 15:63Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
Judges 1:29Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
1 Kings 9:16(fa Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an’ i Gazera ka nandoro azy tamin’ ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an’ ny zananivavy, vadin’ i Solomona),
2 Chronicles 8:8dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.