Bokin'i Josoa 18:14
dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 15:9dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
1 Samuel 7:1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
1 Chronicles 13:5Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.