Bokin'i Josoa 21:45
Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
1 Samuel 3:19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
1 Kings 8:20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
1 Kings 8:56Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’ izay teny soa rehetra nampilazainy an’ i Mosesy mpanompony.
Isaiah 48:3Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
1 Thessalonians 5:24Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.