The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 21 › Bokin'i Josoa 21:44

Bokin'i Josoa 21:44

Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the LORD gave them rest round about, according to all that he sware unto their fathers: and there stood not a man of all their enemies before them; the LORD delivered all their enemies into their hand.

In Context

43Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,

45Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.

Read all of Bokin'i Josoa 21

Cross References

Exodus 23:31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.

Deuteronomy 7:22Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.

Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.

Joshua 1:15mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.

Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Joshua 11:23Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 21:44

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 21:43Bokin'i Josoa 21Bokin'i Josoa 21:45 →