Bokin'i Josoa 24:10
Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 22:11Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
Numbers 22:35Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
Numbers 23:15Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
Numbers 24:10Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Isaiah 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.