Bokin'i Josoa 3:16
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 14:3Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
Exodus 14:29Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Numbers 34:3Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
Deuteronomy 3:17ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany.
Joshua 4:22dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity.
Joshua 12:3ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.