Bokin'i Josoa 7:21
Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 6:2dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
Genesis 34:27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
Deuteronomy 7:25Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
2 Samuel 11:6Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.
2 Kings 5:20Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
Job 31:1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?