The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 9 › Bokin'i Josoa 9:14

Bokin'i Josoa 9:14

Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the men took of their victuals, and asked not counsel at the mouth of the LORD.

In Context

13ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.

15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.

Read all of Bokin'i Josoa 9

Cross References

Exodus 28:30Ary ataovy eo amin’ ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’ i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’ i Jehovah izy; ka dia ho entin’ i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’ Isiraely.

Judges 1:1Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?

Judges 20:28ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.

1 Samuel 22:10Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.

1 Samuel 30:7Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.

2 Samuel 5:19Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 9:14

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 9:13Bokin'i Josoa 9Bokin'i Josoa 9:15 →