Epistily nosoratan'i Joda 1:21
ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
Read all of Epistily nosoratan'i Joda 1
Cross References
Job 14:14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
Matthew 24:42Koa amin’ izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.
John 1:17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
John 15:9Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.
Romans 5:5ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masìna, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Romans 6:23Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.