Bokin'ny Mpitsara 20:16
Ary teo amin’ izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 20
Cross References
Judges 3:15Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
1 Samuel 17:49Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
1 Chronicles 12:2sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.