Bokin'ny Mpitsara 3:15
Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 3
Cross References
Judges 2:16Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
Judges 4:3Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.
1 Samuel 10:27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
2 Samuel 20:10Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan’ i Joaba, kanjo nasiany tamin’ ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin’ ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin’ izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
1 Chronicles 8:5sy Gera sy Sefofana ary Horama.
2 Chronicles 9:24Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.