Bokin'ny Levitikosy 1:13
fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 1
Cross References
Leviticus 1:9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 3:5Ary ireo zanak’ i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 8:21Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ ny rano; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numbers 28:8Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Ezekiel 40:38Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.