Bokin'i Ezekiela 40:38
Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
Leviticus 1:13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
1 Kings 6:8Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
Ezekiel 40:12Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
Ezekiel 41:10Ary ny teo anelanelan’ ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
Hebrews 10:22dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;