Bokin'ny Levitikosy 19:13
Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 19
Cross References
Exodus 22:8Ny amin’ ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon’ olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny tenin’ izy roa tonta, koa izay helohih’ Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an’ ny namany.
Exodus 22:15Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
Exodus 22:24Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
Leviticus 25:14Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
Deuteronomy 24:14Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.
Job 7:2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,