Bokin'ny Levitikosy 2:4
Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 2
Cross References
Exodus 12:8Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
Exodus 29:2ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
Leviticus 6:17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Leviticus 10:12Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.
1 Chronicles 23:29ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
Isaiah 42:1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.