Leviticus 21:17
Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Cross References
Leviticus 3:16Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’ i Jehovah ny sabora rehetra.
Leviticus 21:6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
Leviticus 22:20Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
Psalms 65:4Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
1 Timothy 3:2Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,