Bokin'ny Levitikosy 21:6
Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 21
Cross References
Exodus 28:36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
Leviticus 3:11Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 18:21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Leviticus 20:3Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
Leviticus 21:23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Numbers 28:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy.