Bokin'ny Nomery 28:2
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Nomery 28
Cross References
Exodus 23:15Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Leviticus 1:9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 1:17ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 21:6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
Numbers 9:2Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.
Numbers 9:13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.