The Bible Software
bible.software › Leviticus › Leviticus 22 › Leviticus 22:21

Leviticus 22:21

Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And whosoever offereth a sacrifice of peace offerings unto the LORD to accomplish his vow, or a freewill offering in beeves or sheep, it shall be perfect to be accepted; there shall be no blemish therein.

In Context

20Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.

22Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an’ i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin’ ny afo eo ambonin’ ny alitara ho an’ i Jehovah.

Read all of Leviticus 22

Cross References

Genesis 35:1Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.

Leviticus 3:6Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.

Numbers 15:3ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:

Deuteronomy 23:21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.

Proverbs 7:14Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Leviticus 22:21

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Leviticus 22:20Leviticus 22Leviticus 22:22 →