Bokin'ny Levitikosy 4:2
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Genesis 20:9Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
Leviticus 4:22Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Numbers 15:22Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
1 Samuel 14:27Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin’ ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
Psalms 19:13Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra.