Bokin'ny Levitikosy 4:21
Ary ny vantotr’ ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr’ ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an’ ny fiangonana izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Leviticus 4:11Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
Leviticus 6:23Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.
Leviticus 16:15Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Leviticus 16:27Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
Ezra 8:35Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Matthew 20:28Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.