Bokin'ny Levitikosy 5:13
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin’ ny anankiray amin’ ireo, dia havela ny helony; ary ho an’ ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 5
Cross References
Leviticus 2:10Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 4:26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
Leviticus 5:6ary hitondra ny saziny ho an’ i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
Leviticus 7:6Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany.
Hosea 4:8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.