Bokin'ny Levitikosy 8:2
Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Exodus 28:40Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Exodus 30:25dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
Exodus 39:41ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
Hebrews 7:27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.