Filazantsara araka an'i Lioka 1:49
Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For he that is mighty hath done to me great things; and holy is his name.
In Context
50Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
1 Samuel 2:2Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
Psalms 71:19Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
Psalms 99:9Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.
Psalms 126:2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.
Isaiah 6:3Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.