Filazantsara araka an'i Lioka 13:7
Ka dia hoy izy tamin’ ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Exodus 32:10Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
Leviticus 25:21dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona.
Matthew 3:9ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Luke 3:9Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
John 15:6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.