Filazantsara araka an'i Lioka 13:8
Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Joshua 7:7Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
Jeremiah 14:7Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
Jeremiah 15:1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
Joel 2:17Eo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin’ ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?