Filazantsara araka an'i Lioka 16:13
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
Matthew 4:10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Luke 9:50Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
Luke 14:26Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
Romans 6:16Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’ iza na ho an’ iza, dia mpanompon’ izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ ny fahamarinana?
James 4:4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.