Filazantsara araka an'i Lioka 2:10
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 2
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Psalms 98:2Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
Isaiah 41:27Izaho no voalohany Izay milaza amin’ i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’ i Jerosalema.
Isaiah 52:7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Daniel 10:19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.